FIRAISANKINA !

FIRAISANKINA !

Izay mitambatra hono vato, izay misaraka kosa fasika ; 
Hoy ny ohabolana malagasy iray, izay tsy mety lefy laza.
Antonina indrindra ankehitriny, satria tena mahakasika,
Ny zava-misy andavanandro, mba tsy ilazana be filaza.

Talohan'ny nisian'ny rivo-doza, efa maro be ireo sahirana ; 
Sivy folo isan-jato, na andrenivohitra io na ambanivolo.
Samy nanana ny fijeriny ireo mpanao politika ka nanahirana ;
Ka ny ady seza no nanjaka, teo koa ireo mpanao bontolo.

Tonga indray ny rivo-doza, nahery vaika tsy hay tohaina ; 
Ka ny sisa izay nitsangana, sy nitsipozipozy hita teny ;
Dia narodany avokoa, araka ny vaovao izay nampitaina. 
Ireo mpanakiana lava, tena nahavariana tsy nahitan-teny.

Lasa iny ny rivo-doza, tonga indray ity ny antambo ;
Tondra-drano tsy hay hoe ahoana, manenika ny faritra iva.
Na trano sy ny fiara difotra, moa ve tsy toy ny sambo !
Ny tany koa indrisy mihotsaka, ny moraly koa iva dia iva.

Ambon'izany rehetra izany, be koa ireo manararaotra ;
Mangalatra,  mampiakatra foana koa ny vidin'entana ;
Tsy misy fahatsiarovan-tena, tsy misy tsetra tsisy saotra. 
Tsy mihaino kely akory ny fanabeazan'ireo mpanentana.

Hoy ny ohabolana malagasy, famenon’ny voalaza eo ambony ;
Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalena tokoa ialofana.
Asehoy ary ny firaisankina, omeo ireo traboina koa ny zony.
Atsaharo ny fifandrafiana, ny lembalemba  aleo koa totofana.

Tànana havia sy havanana, izay didiana tokoa maharary.
Taratry ny fahendrena malagasy, na mpiasa io na tompony.
Toy ny rano sy ny vary, an-tsaha na an-tanàna tsy mifanary.
Ka iaino ary ny firaisankina, ahazahoan'ny rehetra tombony.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Mars 2017

Sokajy : ahyFahantranaFampaherezanafiainanaFiaraha-moninaTanindrazana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Jeu 28 fév 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site