FARATSIHO, ILAY TOKANA AMAN-TANY

FARATSIHO ILAY TOKANA AMAN-TANY

Misy distrika iray mahafinaritra,
Ao  andrefan'ny  Ankaratra  ao.
Miaraka amin'ireo tanàna maro,
Inoana  misy  ny efa  fantatrao :
Faratsiho,   Antsapanimahazo,
Vinaninony, izay efa  henonao ;
Andranomiady, Ambohiborona,  
Ramainandro, inoana fa tianao,
Miandrarivo, Ambatondradama,
Mbola  maro ny  ankoatra ireo.

Distrika  tena meva,  nantsoina  
Hoe " la  Frantsa  kely " fahiny ;
Noho ny zava-mampiavaka azy,  
Na ny taloha, na ny ankehitriny.
Ny mponina  ao  mahafinaritra,
Na ny tompontany na  ny vahiny.
Iza ary no tsy ho liana, tongava,
Tsidiho, fa tena tsara ny fisiany.
Ka satry foana  handeha ho any,
Ireo  tsy afaka  tsy omena tsiny.

Maro ny toerana azo tsidihana,
Raha  toa  misy  te-hiala  voly.
Hisitrahana hakaton'ny natiora,
Na an-tanàna, na antanim-boly.
Hanaovana  fanatanjahan-tena,
Hamakiana boky, na koa baiboly.
Tsara  ho  an'ny  nofo, sy saina,
Ka hisinda sy hiala  ny sorisory.
Hanadinona ny olan'ny fiainana,
Ka tena ho  maro no resin-tory.

Ny  tany  ao  tena  mahavokatra,
Indrindra  fa ny  fambolena  ovy.
Be koa ny voly hafa, ny fiompiana,
Ho an'izay  hisaina ny  hampitovy.
Rehefa miasa an-tsaha, an-tanàna,
Misiotsioka, moa ve tsy ny railovy.
Tsy  misy  ny  mitsanga-menatra,
Ka  hisy  hanontany  hoe : zovy ?
Ka na aiza na aiza aleha, lazaina,  
Tena hafa ihany ny "mpitsoka ovy".

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Febroary 2018

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Jeu 17 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site