FAHA 40 TAONA NY MARIAZY

FAHA 40 TAONA NY MARIAZY 

Mandeha ny fotoana, efa efapolo taona sahady ;
Ny nirosoana sy ny nivononana hiditra ny vavahady. 
Vavahadim-piainan’olondroa, hiatrika sy hitady ;
Ny fameloman-tena ho fahaleovantenan’ny mpivady.

Natao ny fisehoana sy ny soratra, tena tsotra izy izay.
Narahin’ny mariazy sy voady hifankatia mandrakizay, 
Ao antranon’Andriamanitra, atao koa hoe tranon-dRay.
Ka ho tokam-po toy ny siny, fa tsy fitia bemiray.

Ny mariazy tamin’izay, dia lanonana tena tsotra ;
Fanamasinana ihany fa tsy nanasana olon-tsotra.
Vitan’ny fiarahabana sy ny tsodrano nipololoatra, 
Avy ao am-po tsy nisy tsiny, na koa teny tafahoatra.

Ny nanombohana ny fiainana, dia tao anaty fiafiana ;
Tena nitsipozipozy, ho anareo izay tena liana.
Na izany aza anefa, dia natrehina ampitoniana ;
Satria nankinina tamin’i Tompo ka tsy tokony ahiana.

Nandeha teny ny fotoana, sady niasa no nianatra.
Niezaka sy nitolona, satria ny tanjona sy filamatra, 
Dia ny mba ho tafita, mba ho lesona ary koa ho anatra, 
Ho an’ireo taranaka sy dimby,  satria ny soa koa fianatra.

Dia lasa tany ampita, nanohy sy namita ny fianarana.
Nitohy ny ezaka sy ny tolona, ary tsy mba fotsy varavarana.
Nanomboka hita ireo vokatra, hita nangarangarana.
Noho ny fitahian’i Tompo, tsara ny valin-kasasarana.

Tafaverina an-tanindrazana, niezaka nioitra foana.
Tsy nahalala hasasarana, eny na voky na koa noana.
Nifoha maraina, niari-tory, isan’andro mandavan-taona.
Nikolokolo sy nampivoatra ilay tokantrano teny foana.

Efa lehibe ireo zanaka, izay noezahina ho tafita ;
Tana-masoandrom-piainana, mba ilazana hoe nahavita.
Na mbola tsy tonga lafatra aza, satria mbola hiampita ;
Amin’ny tsaratsara kokoa, fa tsy hionina amin’ny efa vita.

Rivo sy Tantely, Dera sy Lova, ary Tiana Andrianina,
Sy ireo zafikely Idealy sy Imanoela, ary Alexia sy Ryan,
No taranaka efa eo, sady mamy no mahamanina ;
Ho tahian’i Tompo anie, izay no tsodrano nalamina.

Ankehitriny kosa, tonga ny faha-efapolo taona.
Mba tonga kosa angamba, ny hankalazana ilay fotoana. 
Hiarahantsika rehetra mifaly, mba ho voky fa tsy ho noana.
Tsy ho an’ny androany ihany, fa mba toy izay foana.

Fehiny

Ka ankalazao sy ifikiro, ilay Tompo Andriamanitra ;
Eo amin’ny fiainanao rehetra, mba handovanao ny lanitra.
Ka izay rehetra hataonao, dia hamerovero feno hanitra.
Na dia tsara aza eto an-tany, mbola hafa ny any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Décembre 2017

Sokajy : FahatsiarovanafiainanaFianakavianaFifalianaFitiavanaTsingerin-taona

 

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site