FA NANKAIZA HOY AHO ?

FA NANKAIZA HOY AHO ? 

Fa nankaiza hoy aho, ilay fahendren-tsika Malagasy ?
Nitandro sy nihazona hatrany an’ ireo soa toavina ;
Ka nampiaiky ireo vahiny, na Malagasy an-taratasy ;
Ny fifanajana, ny fahamarinana, narenty toy ny kavina

Fa nankaiza hoy aho, ny fahendren’ny Ntaolo teo aloha ?
Nikajy foana  hatrany ny mba hisian’ ny  fifanampiana.
Ny valala iray aza nifanapahana, ary koa nikaonan-doha ;
Mba hirindra ny ntontolo, mba tsy hisy ny hanohariana.

Mba nankaiza hoy aho, ireo toetra mendrika sy soa ?
Mifampitsinjo foana, na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
Tena trano atsimo sy avaratra, mifanao mandrosoa,
Tsy misy ny hoe ahoana, tsy misy koa ny ady varotra.

Mba nankaiza hoy aho, ny fikajiana ny fahamarinana ?
Toy anankandria-maso, noho ny tahotra an’Andriamanitra.
Mba tsy hifanambaka na ny manankarena na ny sahirana ;
Fa mifanampy eny foana, mba handovana ilay lanitra. 

Mba nankaiza hoy aho, ilay maha-lahy tokana  ny aina ;
Ka tsy nisy sahy nandatsa-drà anin’ireo tsy manan-tsiny ;
Fa nifampiaro foana teny, mba tsy hisy ny hanao Kaina ;
Mba hirindra ny ntontolo, ary ho tokam-po, toy ny siny.

Andao averin-tsika indray, ilay fahendren’ny teo aloha ;
Izay nampalaza antsika, ary tena nampiaiky ireo vahiny.
Ka samy hitondra ny anjara biriky folo zato ambony loha,
Ka ho halain-tahaka foana, toy ny  taloha ny ankehitriny.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Août 2016

Sokajy : FahantranafananaranafiainanaFiaraha-moninaKolontsainaTanindrazana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site