FA NAHOANA LOATRA RE ?

FA NAHOANA LOATRA RE ?

Fa nahoana loatra re, satria tsapa ary mampanontany tena ;
Ny zava - mitranga, ary koa miseho eto anivon’ny Firenena. 
Nihamaro, nisesisesy, ary azo lazaina tsy nanam-pitsaharana,
Ny herisetra, ny  loza  niantraika, ka nampanidy  varavarana.

Fa nahoana loatra re, tato ho ato izay, na antoandro na alina,
No tapaka foana ny jiro sy ny rano, ka manery anao ho malina.
Ny mpiasa tsy afa-miasa, ny mpianatra koa tsy afa-mianatra ;
Ka kivy tena kivy, ny zavatra iainana tokoa tena mampianatra.

Fa nahoana loatra re, toa miakatra foana ny vidim-piainana. 
Mivaralila koa ny fomba amam-panao sy ny foto-pisainana.
Ny fomba amam-panao noheverina ho ratsy indray no ekena. 
Lasa Sodoma sy Gomoro ny tontolo, ka mampanontany tena.

Fa nahoana loatra re, no lasa ady saritaka ny sehatra politika ;
Hadino tanteraka ny olan'ny vahoaka, miaina ao anaty solitika.
Manjaka ny risoriso sy ny "mallette" amin'izay rehetra hatao ;
Ka ireo noheverina hanitsy sy hanafay  koa aza anie manao.

Fa nahoana loatra re, no be ny fitaka sy ny ronono an-tavy ;
Raha vao mba miresaka amin'ny vahoaka io na lahy na vavy. 
Dia manararaotra ny fahantrana mba hanjonona ny vahoaka ;
Mody manome  vary iray lovia, avy eo dia milefa  mitsoaka.

Fa nahoana loatra re, no misy tsy ankiato koa ny rivo-mahery
Arahan'ny tondra-drano sy ny aretina maro, ka maha-voatery ;
Hanao androso lava mangataka, miandrandra ny fanampiana
Satria rava sy potika, na ny fambolena io na koa ny fiompiana.

Fa nahoana loatra re, no miseho sesilany ny fitsaram-bahoaka
Aza voatondro ihany, fa raha izay no misy tsy afaka mitsoaka.
Tsy itokisana intsony ny fitsarana sy ny fitandroana  filaminana.
Samy manao izay tiany, aiza ny fihetsika tsy ho lasa mivilana.

Fa nahoana loatra re, ny Malagasy anie, ka mivavaka tsara ;
Na misy aza amin'ny saonjo iray lohasaha, ireo mamarara. 
Mitalaho isa-maraina sy hariva, ary mandohalika isan-kalina ;
Tsy ambanin’izany ny fifamelana heloka, ny fifadiana hanina.

Fa nahoana loatra re, sao sarin’ady ihany, izany rehetra izany ;
Ka imolotra fotsiny, toy ny zava-maro izay misy eto an-tany.
Ka ilay Nosy be harena an-dranomasina sy ankibon’ny tany, 
Dia lasa kilasiana isan'ny tena mahantra tsy misy ohatra izany.

Fa nahoana loatra re, sao tokony ho samy efa tena ho vonona ;
Hitondra ny anjara birikiny hanavotana ny Firenena iombonana.
Ka tsy hisy afa-tsy iray ihany ny zava-kinendry sy ny tanjona :
Dia ny FANDROSOANA izay hampitolagaga sy hahatalanjona.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 Février 2017

Sokajy : FahantranafiainanaFiaraha-moninaPolitikaTanindrazana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×