FA NAHOANA KOSA MOA ....

FA NAHOANA KOSA MOA !

Fa nahoana kosa moa ny fiainana an-tany,
No mirimorimo tsy misy ohatra izany.
Na mazoto na kamo, tsy maintsy miroso,
Lalan-kizorana io, ho aiza ny tsy handroso.

Fa nahoana kosa moa ny zavatra rehetra,
No miovaova, tsy voafehy, tsy misy fetra.
Ivadimbadian’ny fifaliana sy ny tomany.
Ny ambony androany, ny ampitso ambany

Fa nahoana kosa moa, ireo zava-manahirana ;
No tsy azo avadika, ho lasa zava-mangirana.
Ny tsy fahombiazana, ho lasa fandresena ;
Ny noana ho voky, tsy misy intsony mosarena

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Juin 2016

Sokajy : fiainanaFiaraha-moninaTontolo iainana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site