ERITRERITRA RIRININA

ERITRERITRA RIRININA

Mandeha  ny  ora,  ny  andro,
Toy  izany  koa  ny  volana,
Mivadibadika eny ny taona.
Be  ny  sento  mitambolona,
Eo am-pitanisana ny olana ;
Mitaky asa tena mivaingana,
Anio, ary koa mandava-taona.

Miandry, eny miandry foana,
Ny mety ho fiovan’ny tontolo ;
Tsy hita manéangasanga anefa,
Izany  fiovana  rehetra  izany.
Na  itodiana  ny fotoana lasa,
Na mibanjina ny ho avy im-polo,
Mbola indro  manantena  ihany,
Mba tsy hisy sento sy tomany.

Leo ny miandry foana anefa,
Sady  malahelo no  mitoloko ;
Leo ny fampanantenana lava,
Satria ny andry indray no olana.
Mitohy  isan'andro  vaky izao,
Ireo  fahadisoana  maro  loko,
Ary tsy misy fitondrana  akory,
Na  fandrosoana  vaha - olana.

Inona ary ny mety sy ny tsara,
Haroson-tsika ary hirosoana ;
Mety hiatrehana sy handresena,
Izany zava-misy rehetra izany.
Aleo   miasa   mafy   angamba,
Mba hitondrana ny fandrosoana ;
Andriamanitra, tsy andrin’ny hafa,
Toa  lazaina,  andrin-tsika ihany !

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
07 May 2016

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 21 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site