EMBONA SENDRA NANDALO

 EMBONA SENDRA NANDALO

Mitodika ny fotoana lasa,
Hibanjinana   ny  ho  avy.
Mitambolona   miverina,
Ao  an-tsaina  ny  taloha.
Toa ny vao  omaly anefa,
Eo daholo ny mpianakavy ;
Na ny mbola eto an-tany,
Na ireo  efa lasa  nialoha.

Ny  fotoan'ny fahazazana,
Mbola tena  bitika ny tena.
Nilalao  sy   nihazakazaka,
Eny an-tanàna rehetra eny ;
Misy ny fotoana, voantso,
Voahiraka ho any an-tsena.
Nisy  koa  ireo  zava-maro,
Nahafaly,  na  nahasorena.

Nandeha  teny ny  fotoana,
Dia nirosoana ny fianarana.
Dia niezaka nilofo, nihoitra,
Fa sao  mba ho  nety ihany.
Nivoaka maraina sy hariva,
Tsy mba  fotsy  varavarana.
Fa  ny  tanjona  nokendrena,
No hany nobanjinina hatrany.

Nihalehibe ny tena, nahafaly,
Nandeha  tsara  izay  natao ;
Nisy  ihany  anefa ny  andro,
Ny fotoana maro nanahirana.
Tsy  natao olana  nampijaly,
Fa fanohitra entina nanavao
Ilay  tanjona any  amparany,
No kajiana tsara tsy hivilana.

Ny tena fahombiazana anefa,
Tsy  ny  fahatafitana   ihany ;
Fa  ny fiezahana,  filofosana,
Ahatratrarana ny asaramanitra ;
Dia  ny  fananana  tokantrano,
Taranaka  mendrika  hatrany ;
Eo  ambany  ny  fiahian’i Ray,
Sy Jesoa Kristy any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
21 May 1995

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 21 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site