AZAFADY TOMPOKO !

AZAFADY TOMPOKO !

Teny iray tena fampiasa,
Isaky ny niteny teo aloha.
Miha hadino, tsy dia faheno
Firy kosa moa ankehitriny.
Sa efa vakokin'ny lasa ;
Tsy hivakiana intsony loha.
Efa natobaky ny siny feno, 
Ka lasa tsiahin'ny fahiny.

Teny iray  nanan-danja,
Mariky ny fanajana koa.
Fandre foana isan'andro,
Teny tsy nanam-paharoa.
Toy ny tana-masoandro,
Niposaka tsy lany manja.

Teny iray, tena teny nihaja, 
Taratry ny fahaiza-miaina ;
Nametraka ny ray sy reny,
Avara-patana sy lalaina.
Mendrika ho manan-kaja,
Sy fanaja, ary koa to teny.  

Teny niloaka  ao am-bava, 
Rehefa nialoha ireo zoky ;
Na koa rehefa nifanatri-tava,
Amin'ny manana na kamboty.
Teny tsy tokony ho hadino,
Ary tokony ampiasaina foana ;
Dia ianao sy izaho dia hino,
Fa fitoniana mandava-taona.

Teny iray mifono zava-maro,
Ahafahana mitondra tena,
Na an-trano, na an-tanàna ;
Na manana, na mananotena ;
Na manadino, na mahatsiaro.
Fomba tsara ka tsy azo ialàna.

Teny iray feno fahendrena,
Ho fampiasan'ny rehetra ;
Taratry ny harena ao anaty,
Soa toavina tsy manam-petra.
Teny taratry ny fifanajana ;
Mba  tiana  haverina indray,
Satria tsapa fa tsy azo ialàna,
Anio, ampitso, sy mandrakizay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Mars 2017

Sokajy : fananaranaFiaraha-moninaFitiavanaKolontsaina

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 12 mars 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site