AZA MANDORO TANINDRAZANA

AZA MANDORO TANINDRAZANA

Madagasikara, ilay  nosy  meva,  tena  kanto ;
Rakotry ny ala  fahiny, na aiza  na aiza aleha.
Nahasarika olona maro, izay tonga handranto,
Ny hatsaran'ny  natiora,  ka lasa  ho rehareha.

Maro ireo  zava-maniry, hita eny  rehetra eny,
No nampiavaka, an'ilay Nosy Madagasikara.
Toy izany koa  ny biby, hita ombieny ombieny ;
Tsy fahita na aiza  na aiza, ary koa tena tsara.

Indrisy ankehitriny, ilay nosy maitso lasa mena ;
Ny  renirano  nikoriana,  ity lasa  tena  nangina ;
Ilay nosy tia  nianjaika, lasa nifono lambamena,
Noho  ny doro tanety, atao foana  fanahiniana.

Aman'arivony hekitara, ny ala may isan-taona ;
Aman'aliny ihany koa, ireo biby  no namoy aina.
Izay  rehetra  jerena,  tontolo  mainty  misaona.
Maro ihany amin'izany, ny tsy mety tonga saina.

Rahoviana re, no ho tonga saina, isika Malagasy?
Na ny manam-pahefana, na ny vahoaka madinika.
Hiandry tany karakaina ve, sao re hangasihasy !
Hanjoretra, very  saina,  tsy  aleo  ve  mandinika.

Ny  ataon-tsika ihany, no  mifototra  amin-tsika.
Ny nenina  tokoa tsy  any aloha, fa any  aoriana.
Ka ny rehetra nafana, tena ho  lasa hangatsiaka ;
Ary ny  nangatsiaka, lasa hahamay sy fahoriana.

Ajanony  hatreo ny  fandorana  ny tanindrazana,
Izay  tena  manabotry,  sy mamono  ny  firenena ;
Raha  tsy izany izay jerena, dia ho lasa ngazana.
Tontolo tena resy, mampitomany sy mahonena.

Tonga re ny fotoana, andao samy hamboly hazo.
Hikajy ny tontolo iainana, mba samy ho tamana ;
Ka na  ny zava-maniry, na  ireo  biby, mba ahazo,
Ny  fiarovana  sahaza, hisitrahany  koa  ny mana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Septambra 2019

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×