AVADIHO IM-PITO 

AVADIHO IM-PITO 

Avadio im-pito aloha ny lela vao  miteny ;
Mba tsy ho rano raraka ka tsy azo raofina.
Na  miteny mafy ianao, na koa malemy ;
Izay aloaky ny vava tokony ho teny maotina.

Ny teny tsy voatandrina mety mandratra,
Ny saina sy ny fo rotoky ny fangirifiriana.
Ka hiteraka aretim-po sy koa aretin-tratra ;
Izay vao antambo hanery hamonjy fandriana.

Ny fifandraisana amin'ny olon-kafa mantsy,
Mila fitandremana sy fahamailona lalina ;
Satria mety hampidi-doza toa ny lelan'antsy,
Ka mety tsy hampatory na andro na alina.

Ramalina aza hono mifehy hazo tokana,
Amin'ny zavatra rehetra mety miseho.
Hialana amin'ny olana maro io na tokana,
Mipoitra tsy ampoizina ka mampitoreo

Avadio im-pito aloha ny lela vao miloa-bava,
Mba tsy hampisendaotra ny mpianakavy.
Hosorohana mialoha mba tsy ho gidra lava,
Eo amin'ny mpirahalahy sy ny mpirahavavy.

RASAMINDRAKOTROKA Andry - Tiana 
06 Desambra 2017

Sokajy : fananaranafiainanaFiaraha-moninaKolontsaina

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site