ATAOVY TOY NY TANY AMPIANDOHANA

ATAOVY TOY NY TANY AMPIANDOHANA

Ataovy toy ny tany ampiandohana,
Ny fiarahanao amin’ny olon-tianao.
Tena tsotra madio ary tsy isalasalana,
Ny fitiavana izay nitsiry tao am-ponao

Ataovy toy ny tany ampiandohana,
Ny teny sy ny tsiky hita eo imolotrao.
Tena maha-te ho tia ary mahasalama,
Satria mandeha ho azy ny zavatra atao

Ataovy toy ny tany ampiandohana,
Ny sangisangy sy ny zava-panao.
Na mafana ny andro na koa mamanala,
Tsy hiova mihitsy ary tsy hisy ho lao.

Ataovy ho toy ny tany ampiandohana,
Tena tokam-po toa ny siny tokoa ianao.
Ka na any ampiasana na ao an-tanàna,
Dia hifampiantso foana hoe aiza ianao ?

Ataovy toy ny tany ampiandohana,
Ny adiadiady kely izay mora hadino,
Tsy ho tra-maraina ary mora ialàna,
Satria hanimba ka mety tsy hampino.

Ataovy toy ny tany ampiandohana,
Ifampiaràna foana ny zavatra hatao.
Tena ho mafy orina toy ny làlàna,
Ilay tokantrano mamy izay naorinao.

Ataovy ho toy ny tany ampiandohana,
Ny fitadiavanao ny vady andefimandrinao.
Tsy andry mihitsy izay hifankahitana,
Eny satry foana ny hihaona izao dia izao.

Ataovy ho toy ny tany ampiandohana,
Ny fivavahanao ho an’ny olon-tianao.
Ho lavitra azy foana ny asan’ny satana,
Fehiny : ho sambatra foana izy sy ianao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
21 Février 2017

Sokajy : fananaranafiainanaFianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site