ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAOM-BAOVAO

ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAOM-BAOVAO

Arahabaina madinidinika, nahatratra ny taom-baovao.
Nahatsipaka amin-kery iny taona mafy lasa iny ;
Taona lasa tena mafy, toy ny zioga sy ny bao ;
Nampitaintaina, nampanembona ny tsara lasa fahiny.

Arahabaina tsy ankanavaka, tsy maty fo aman'aina ;
Niangaran'ny vintana ka mbola velon'aina ankehitriny,
Na ny nandova tany lonaka, na koa ny tany karankaina.
Izay ananana ifaliana, ary tsy tokony ifanomezan-tsiny.

Arahabaina am-panajana ny ray aman-dreny sy ny zoky ;
Hazo amoron-tevana hono, kanefa tena nijoro hatrany.
Tsy hadino koa ireo zandry, sy ireo taranaka mahatoky,
Vato mandondona e, kanefa tsy nianjera tamin'ny tany.

Hikapa hahita ny tonony, ary handidy hahita ny vaniny.
Ho ambinin-java-manasatra amin'izay rehetra hatao.
Ka hahomby eny foana amin'ny adidy rehetra sahaniny.
Ka ho tsongoin'olom-bolo eo anivon'izao tontolo izao.

Ho mamy tian'ny vola ; ary ho mangidy lavitry ny faty.
Ny làlana hombana koa, ho lavitry ny loza amin'atambo.
Ka izay rehetra kasaina, tena hitondra fifaliana anaty ;
Na an-tsaha, na an-tanàna, na koa hatrany anaty sambo.

Tsy ho solafaka an-dàlana ; ary tsy ho fotsy rora miteny.
Hisitraka ny tsiron'ny tany, hirotsahan'ny andon'ny lanitra.
Na matory, na mifoha, na koa mandeha eny rehetra eny.
Eo ambany fiarovana, sy fitahian'ilay Tompo Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Janoary 2018

Sokajy : FetyfiainanaFianakavianaFiaraha-moninaFifalianaKolontsaina

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×