RAHA TIANA HAHOMBY NY VINA SY NY KINASA

RAHA TIANA HAHOMBY NY VINA SY NY KINASA

Mahavariana ny mandinika ny fiainana an-tany ;
Indrindra raha ny eo anivon'ny fiaraha-monina.
Satria ny an-kijerijery sy ny fitsabahana hatrany,
No tena manjaka, ka io no tena mampiolonolona.

Raha vao mihetsika iny ianao, be ny manontany ;
O! ry ramose, o! ry madama, ho aiza izato ianao ?
Manao metimety, ny akanjo ambony sy ambany.
Mba zarazarao re, ary koa, mba ambarambarao.

Raha iny ianao no tsotra,  ka roboka ny milaza ;
Ka mivoaka hatramin'izay tsy tokony holazaina.
Dia tsy lavitra eo akory, lazaina fa te ho halaza.
Izay no  miandry, kevoka hono, ka te ho deraina.

Ny mahagaga mantsy amin'ny andro ankehitriny,
Dia  hita isan'andro, anatin'ny ireny tambajotra ;
Fitantarana ny fiainana, hatramin'ny añtsipiriany,
Tsy ny omaly ihany, fa koa ny lalana sy ireo zotra. 

Misy  ny tsy  manan-tsaina, afa-tsy ny  hamotika.
Mitsikilo isan'andro vaky, ahafahany ny mandrava.
Ory hava-manana, miaraka amin'ny fo tena lotika.
Misaina foana ny hamono, sy hampiasa hazo lava.

Koa fahendrena re ry tanora, ramose sy madama ;
Dia  ny tsy be tantara amin'ny zavatra izay hatao.
Raha tsy izany dia hianjera, ny tany koa malama ;
Ka  izay vao tena ho sahirana,  ka hoe akory atao.
.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana 
27 Aprily 2019

Sokajy : fananaranafiainanaFiaraha-moninaTontolo iainana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Ven 03 mai 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site